a
FandraisanaToekarenaSAMBAVA : HITAFA SY HITONDRA VAHAOLANA MOMBA NY SEHAM-PIHARIANA LAVANILA NY FILOHAN’NY REPOBLIKA‼️

SAMBAVA : HITAFA SY HITONDRA VAHAOLANA MOMBA NY SEHAM-PIHARIANA LAVANILA NY FILOHAN’NY REPOBLIKA‼️

SAMBAVA : HITAFA SY HITONDRA VAHAOLANA MOMBA NY SEHAM-PIHARIANA LAVANILA NY FILOHAN’NY REPOBLIKA‼️

Taoriany hetsika sy fitakiana mavaivay izay niafara tamin’ny fandrobana olona nanao ankanjo volomboasary tao Sambava sy tany amin’ny faritra SAVA dia nidina ifotony ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ‚ hitondra vahaolana momba ny seham-pihariana lavanila izay nampitaraina ny vahoaka an-taonany maro.

Eo ampiandrasana ny kabary sy vahaolana aroson’ny Filoha ny vahoaka ao Sambava izay vorilanina amin’ny kianja hanatanterahana ny fihaonana . Rakotra volomboasary ny kianja ary efa tazana ny sora-baventy izay feno fankasitrahana ny Filoha amin’ny vahaolana hoentiny . Manafana ny lanonana ireo mpanakanto nasaina ( Ngiahy Tax – Lego … ) . Tazana ihany koa fa misy “moto cross” izay hevirina hozarainy filoha any an-toerana.

Manontrona ny filoham-pirenena any moa ny Praiminisitra NTSAY Christian ‚ lehibeny Governemanta sy ireo minisitra mpikambana ao anaty Governemanta ary ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara maro avy ao amin’ny vondrona parlementera IRD izay tarihiny Filohany Depiote Velontsara Paulbert ‚ misy koa ireo Solombavambahoaka tsy miankina izay manohana ny filoham-pirenena sy fitondrana mijoro ankehitriny . Tazana ireo olom-panjakana ‚ olom-boafidy ‚ manampahefana ary vahoaka maro.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment