a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaSABOHA MALANDY : FAKOFAKO IVELANY FA VOLAMENA AO ANATINY

SABOHA MALANDY : FAKOFAKO IVELANY FA VOLAMENA AO ANATINY

SABOHA MALANDY : FAKOFAKO IVELANY FA VOLAMENA AO ANATINY

Matetika ambaniana sy hosoram-potaka ary ahiliky ny fiarahamonina tanteraka ireo olona lava volo ‚ kipiky ( AFRO – RASTA ) . Barbo ‚ mpifoka rongony ‚ jiolahimboto ary tsy misy ilana azy akoatrany fanaovana barofa sy hadalana izy ireny raha ny sojakajy na toerana ametrahany fiarahamonina azy.

Diso anefa izany fiheverana izany raha ny fanazavana nataony SABOHA MALANDY ‚ Tovolahy zanaky ny faritra Sofia ‚ mampahaizana sy talenta amin’ny resaka AHANDRO – FIKARAKARANA SAKAFO – MOFO – PIZZA… ‚ hitantsika amin’ny sary etsy ambany . Tsy azo sokajiana amin’ny alalany fitafy na volo na fijerena indray mitopimaso ny olona iray ‚ 08 taona niarahana izaho sy ity voloko ity fa tsy mbola voarohirohy tamin’ny zava-dratsy ‚ na voatam-pimaso teny amin’ny polisy na zandary ary tsy mbola niakatra fitsarana ihany koa.

Fakofako ivelany fa volamena be anatiko ‚ mbola tsy nisazy ( nigadra ) aho ka aza mitsara mba tsy ho tsaraina na i Jesosy aza mba lava volo ‚ hoy hatrany izy nanazava fa mitovy ihany ny olombelona rehetra fa samy amin’ny fomba fiainany kosa.

Akoatrany talenta amin’ny resaka AHANDRO na FIKIRAKIRANA SAKAFO izay manavanana azy dia mpanao SLAM – RAP GASY ary efa nahavita « service militaire » sady « ex – garde présidentielle 2005 – 2007 » i SABOHA MALANDY

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment