RN6 – PK 217+100 AMBALAVOLA AMBALAFAMINTY : ENY IFOTONY NY MINISITRA SY GOVERNORA MAMAHA OLANA
Asa fa tsy kabary ‚ eny an-kianja no tena ahitana ny zava-misy marina afahana mitondra vahaolana maharitra mifanaraka amin’izany mba hanalana ny fahasahiranam-bahoaka.
Amperinasa tanteraka ny Orinasa manamboatra sy manarina ny lalam-pirenena faha-06 amin’izao . Nidina ifotony ‚ ny Governoran’ny Faritra Sofia sy ny Minisitry ny asa vaventy androany 28 Janoary 2023 ‚ nanaramaso ny fandrosoany asa ary nanome toromarika amin’ny tokony hanafainganana ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-06 izay tapaka ao amin’ny PK 217+100 ‚ Ambalavola Ambalafaminty Distrikan’i Antsohihy Faritra Sofia.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.