RN6 ‚ PK 217+100 AMBALAVOLA AMBALAFAMINTY ANTSOHIHY : MIVERINA AMIN’NY LAONINY NY FIFAMOIVOIZANA
Afaka mivezivezy ny fiara rehetra nanomboka tamin’ny 03 Ora tolakandro teo ary tsy misy atahorana fa efa napetraka ny « Pont Bailey » eo akaiky ny toerana nisy fahatapahan-dalana ‚ vita ny asa fanarenana ny lalan-tapaka teo amin’ny PK 217+100 Ambalavola Ambalafaminty Antsohihy miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana.
Tany an-toerana ary tsy niala ny Governora Lylyson René de Rolland sy ny Minisitra Hatrefindrazana Jerry ary ireo tompon’andraikitra maro ‚ raha tsy vita ny lalana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.