a
FandraisanaVaovaom-paritraRN6 : MIADY MAFY NY FIARA VAO TAFAVOAKA NY LALANA AO AMBALAVOLA AMBALAFAMINTY

RN6 : MIADY MAFY NY FIARA VAO TAFAVOAKA NY LALANA AO AMBALAVOLA AMBALAFAMINTY

RN6 : MIADY MAFY NY FIARA VAO TAFAVOAKA NY LALANA AO AMBALAVOLA AMBALAFAMINTY

 Tsy tafavoaka ao amin’ny lalam-pirenena faha-06 ‚ ao Ambalavola kaominina Ambalafaminty Distrikan’i Antsohihy ‚ izay misy lalan-tapaka ny fiara iray raha tsy misy mpanoro lalana miaraka aminy ary manosika any antsefatsefany any.

 Tafakatra hatramin’ny 50 000Ar ny karaman’ireo mpanoro lalana maromaro mitambatra ‚ izy ireo no miantoka fivoahany fiara izay tsy maintsy mandalo any anaty ala mandritra ny adiny iray eo na mahery ‚ arakaraka ny lalana ampandalovan’ireo mpitarika.

 Misy lalana azo andalovana ‚ afaka fiara hatramin’ny Sprinter fitateram-bahoaka ao fa mandalo anaty ala ‚ hoan’ireo izay maika hanohy ny dia ‚ hoy ireo mpanoro lalana sady manosika raha sendra mitohana . Efa miezaka manarina ilay lalan-tapaka ny fitondram-panjakana mba hitohizany fifamoivoizana.

Betsaka ny fiara mijanona ao Ambalavola Ambalafaminty ‚ tsy afaka noho ny lalan-tapaka efa ho telo andro ka miandry fitohizany lalana . Efa any avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra sakafo avy ao Ambalafaminty amin’izao.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment