a
FandraisanaVaovaom-paritraRN6 : FIARA SPRINTER SAIKA LASANY RANO TAO ANTSATRAMANERA

RN6 : FIARA SPRINTER SAIKA LASANY RANO TAO ANTSATRAMANERA

RN6 : FIARA SPRINTER SAIKA LASANY RANO TAO ANTSATRAMANERA

 Voalaza nampihatra ny di-dohany ilay mpamily nitondra ity fiara mangamanga ity ka tsy nila fanampiana sy torohevitry avy amin’ny fokonolona ifotony izay manampy ireo fiara sy mpandeha rehetra miampita amin’ny “radier” miisa 03 izay difotrin’ny rano eo alohan’ny Pont Mahajamba sy Pont Mahasoa ‚ izay misy rano lalina sy mahery vaika.

 Ny kamiao mitondra vesatra 10t ary manana “ filtre à air ” ambony ihany no afaka mamakivaky rano tsy mila tohana avy amin’ny fokonolona miampita ireo “radier” miisa 03 ao Antsatramanera raha ny fanazavana kanefa nandeha amin’ny herin-tsaina ananany ity mpamily Sprinter fitateram-bahoaka mangamanga ity ka saika lasany rano rehefa tonga teo amin’ny “radier” fahatelo izay misy rano mahery vaika . Nihazakazaka nanatona sy nanampy tamin’ny fisontonana azy ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana eny ifotony ( zandary sy polisy ) ary tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Faritra Sofia izay manao ao Antsatramanera ka dia avotra sy tafavoaka soamantsara ilay fiara.

Miezaka mafy araka izany ireo fokonolona sy mpitandro filaminana ary tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Faritra Sofia manampy ireo mpamily sy mpandeha amin’iny lalam-pirenena faha-06 iny ‚ mba hisorohana amin’ny loza mety hitranga ary indrindra fiarovana ny ain-bahoaka sy ny fananany.
Mbola mitohy ny rotsa-korana hatramin’ny mitatao vovonana androany 24 Janoary 2023 ‚ fotoana izay nakana sary.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment