RN6 : AHIANA HITERA-DOZA NY LALANA NIHOTSAKA
Tombanana ho 500 metatra miala eo amin’ny toerana misy fisakanana ataon’ny zandary ( Police de la Route ) mianavaratra na koa eo aloha kelin’ny croisement Befandriana avaratra makany amin’iny lalana hihazo Ambanja amin’ny lalam-pirenena faha-06 iny ‚ ao Andilambe anatin’ny kaominina Ampandriakilandy Distrikan’i Antsohihy no misy lavaka be vokatry ny fihotsahan’ny tany ity.
Ahiana hitera-doza izy io raha tsy andraisana fepetra haingana ‚ entanina ihany koa ireo mpamily sy mpitatitra ary ny olona mivezivezy amin’iny lalam-pirenena faha-06 iny mba hitandrina ‚ ho fisorohana ny loza.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.