RN5a ( Ambilobe – Vohemara ) : INTELO NANAOVANA LANONANA VAO TENA VITA TANTERAKA
Efa any Vohemara ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’izao ‚ hitokana ny lalam-pirenena Faha-05a mampifandray an’i Ambilobe sy Vohemara na faritra Diana sy Sava androany 09 Septambra 2022.
Lanonana fahatelo ity atao androany ity : ny voalohany tamin’izany ny fanombohana ny fanamboarana sy fametrahana vato fehizoro nataon’ny filoham-pirenena teo aloha ‚ Hery Rajaonarimampianina ny Aogositra 2018 . Naverin’ny filoha Andry Rajoelina natomboka izany tamin’ny April 2019 ary izao izy vita soamatsara ary tokanany izao ( lanonana fahatelo ) . Taratry ny fisian’ny fitohizan’ny fitantanan-draharam-panjakana izay miroso amin’ny fampandrosoana izao ‚ hoy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena.
Tsiahivina fa ny May 2017 nandritra ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina no vita sonia ny fifanarahan’ny fotondram-panjakana Malagasy sy ny sinoa amin’ny fanamboarana ity lalana 150 Km mahery ‚ izay efa nampitaraina ny vahoaka an-taonany maro ity . Famatsiambola 158 tapitrisa dolara ‚ fiarahamiasa tamin’ny fitondrana sinoa ( Eximbank ) no nahavitana izany.