RN4 : NAHATO VONJY MAIKA NY FIFAMOIVOIZANA▪️MIATO NY FIHAINGANY FIARA AVY ANY MAHAJANGA SY AVY ANY ANTANANARIV
Nahato aloha ny fiaingan’ny fiara Taxi-Brousse rehetra na ny avy any Antananarivo mankany Mahajanga na ny avy any Mahajanga mankany Antananarivo ‚ ho fisorohana ny loza sy hialana amin’ny fahasahiranan’ny mpandeha eny an-dalana no antony fanapahan-kevitra hoy ny tompon’andraikitra misahana ny fitaterana an-tanety ao Mahajanga ( ATT Mahajanga )
Manaraka izany ‚ entanina ireo mpampiasa lalana sy izay efa eny an-dalana ‚ mba hanaraka antsakany sy andavany ny toromarika omen’ny mpitandro ny filaminana ary hijanona amin’ny toerana azo antoka.
Ankoatrizay ‚ Entanina ireo fiara vaventy ‚ mba hanaja antsakany sy andavany ny vesatra izay azon’ny fiara hoentina ary hanaraka tsara ny toromarika omen’ny mpitandro ny filaminana eny an-dalana ‚ ho fiarovana ny fotodrafitrasa.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.