a
FandraisanaVaovaom-paritraRN33b : TAPAKA TANTERAKA NY LALANA DIFOTRIN’NY RANO▪️ TAFAKATRA 400 NY OLONA TRABOINA AO ANKARAOBATO

RN33b : TAPAKA TANTERAKA NY LALANA DIFOTRIN’NY RANO▪️ TAFAKATRA 400 NY OLONA TRABOINA AO ANKARAOBATO

RN33b : TAPAKA TANTERAKA NY LALANA DIFOTRIN’NY RANO▪️ TAFAKATRA 400 NY OLONA TRABOINA AO ANKARAOBATO

Efa manomboka misava ny rahona fa mbola mibosesika mafy kosa ny rano izay mandifotra ny lalana hatramin’ny faritra mena voarakitra eo amin’ny andry famantarana ( poteau balise ) ka tapaka tanteraka ny lalana amin’ny lalam-pirenena faha-33b ary miato ny fifandraisana eo amin’ny Ambatoboeny sy Andranofasika.

Betsaka ny traboina ‚ efa tafakatra hatramin’ny 400 mahery ny ao Ankaraobato ‚ araka ny fampitam-baovao ‚ 40 kosa efa ao amin’ny Tranompokonolona ao Ambatoboeny . Tsy misy sakafo anefa ao amin’ny trano fandraisana ka manao antso avo ‚ miantso vonjy sy tolo-tànana amin’ny sakafo sy fanampiana ny vahoaka ifotony.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment