a
FandraisanaVaovaom-paritraRN32 : TAPA-KEVITRA IHANY NY FITONDRAM-PANJAKANA HANAMBOATRA AZY

RN32 : TAPA-KEVITRA IHANY NY FITONDRAM-PANJAKANA HANAMBOATRA AZY

RN32 : TAPA-KEVITRA IHANY NY FITONDRAM-PANJAKANA HANAMBOATRA AZY

Raha nampimenomenona ny vahoaka ato amin’ny Faritra Sofia fa indrindra ny ao amin’ny Distrikan’i Mandritsara ‚ Befandriana avaratra ‚ Antsohihy ary Analalava ny tsy niresahan’ny filoham-pirenena nandritra ny tafa hoan’ny vahoaka Malagasy ny 31 Desambra 2022 ‚ ny momba ny lalam-pirenena faha-32 ( Antsohihy – Befandriana avaratra ‚ Mandritsara ) sy faha-31a ( Tsinjomorona – Analalava ) dia nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana ‚ tamin’ny alalany filan-kevitry ny Minisitra omaly 18 Janoary 2023 ny fanamboarana ny lalam-pirenena Faha-32 sy ireo maro hafa izay potika eto Madagasikara.

Tsy hanaraka ny pitsopitsony mahazatra takiana amin’ny maha tsenam-baro-panjakana azy izany noho ny hamehana fa misy ny « Autorisation d’engagement préalable » fanomezan-dalana mialoha nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra omaly ihany.
Andrasan’ny maro araka izany ny fanatanterahana ity fanapahan-kevitra noraisina ity . Fantatra ihany koa fa hanomboka amin’ity taona ity ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-31 ( Ankazobetsihay – Bealanana ).
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment