a
FandraisanaPolitikaRN32 – RN6 : NARENINA IREO TEBOKA MAMPIJALY NY VAHOAKA

RN32 – RN6 : NARENINA IREO TEBOKA MAMPIJALY NY VAHOAKA

RN32 – RN6 : NARENINA IREO TEBOKA MAMPIJALY NY VAHOAKA

RN32 – RN6 : NARENINA IREO TEBOKA MAMPIJALY NY VAHOAKA ATO AMIN’NY FARITRA SOFIA

Anisany nampitaraina ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-32 ny ampahan-dalana eo amin’ny fokontany Matsamena ‚ izay nahiana hitera-doza ary miteraka fahatapahan-dalana rehefa fotoam-pahavaratra . Nasiam-panarenana izany tamin’ity taona ity mba hamahana ny fahasahiranany mponina fa indrindra ireo mpampiasa iny lalana iny.

Toraka izany ihany ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-06 ato amin’ny faritra Sofia ‚ izay natomboka avy ao Port Bergé . Efa mandeha ny asa ary efa misy ampahany vita « goudron ».

Nisy ny fanarahamaso ireo lalana ireo nataony Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ Governoran’ny faritra Sofia ny farany herinandro teo mba hialana amin’ny asa petatoko sy zara fa vita . « mitohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ireo lalana maro simba ato amin-tsika koa ankasitrahana ny Filoha Andry Rajoelina sy minisitra tompon’andraikitra manampy amin’ny fanatanterahana izany » ‚ hoy izy nanamafy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-31 izay hanomboka tsy hoela.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

e.fandrai@gmail.com

-

-/-