a
FandraisanaVaovaom-paritraRN31 : TAPAKA NY LALANA AO AMIN’NY PK 60 ‚ ANDILAN’AMPANDRANA

RN31 : TAPAKA NY LALANA AO AMIN’NY PK 60 ‚ ANDILAN’AMPANDRANA

RN31 : TAPAKA NY LALANA AO AMIN’NY PK 60 ‚ ANDILAN’AMPANDRANA

 Efa hatramin’ny alina no tapaka ity lalam-pirenena faha-31 ‚ ao Andrilan’Ampandrana ‚ PK 60 ‚ mampifandray ny Distrikan’i Bealanana sy Antsohihy ity.

 Nisy ny fifampiresahana nifanaovan’ny Solombavambahoaka voafidy tao Bealanana sy ny Governoran’ny Faritra Sofia amin’ny hamahana ny olàna amin’ity toerana misy fahatapahan-dalana ity ka efa nisy fanapahan-kevitra noraisina momba izany amin’ny handefasana ireo fitaova faran’izay haingana ho famahana ny olàna sy fitsinjovana ny vahoaka.

Eo anatrehen’izany ‚ misy ihany ireo mpamily sy mpandeha miezaka manarina vonjy maika ny lalana mba afahana miampita ka izay sahy ihany no afaka mandeha amin’ireo fianara fitateram-bahoaka sy fiara tsy mataho-dalana fa mijanona tanteraka mandrapaha hisiany fanarenana kosa ny fiara vaventy toy ireo kamiao ‚ araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment