a
FandraisanaVaovaom-paritraRN31 : ILAY LALANA NAMPANANTENAINA FA HATAO « GOUDRON »

RN31 : ILAY LALANA NAMPANANTENAINA FA HATAO « GOUDRON »

RN31 : ILAY LALANA NAMPANANTENAINA FA HATAO « GOUDRON »

Araka ny fanambarana nataony Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia hanomboka amin’ity taona 2023 ity fanamboarana ny lalam-pirenena faha-31 izay mampifandray ny Distrika Antsohihy sy Bealanana ary hitohizana hatrany Adapa izany raha fanazavana.

 Efa hatramin’ny taona 2022 no niely ny vaovao fa hiroso amin’ny fanamboarana sy fanaovana tara ( goudron ) ity lalana ity ny fitondram-panjakana saingy tsy mbola nahitana mangirana hatreto ary tsy mbola manomboka ny fanamboarana.

 Toy izao hitantsika amin’ny sary izao ny ampahany zava-misy iainam-bahoaka izay tsy maintsy mandeha amin’iny lalam-pirenena iny . 50 000Ar ny saran-dalana ary vitaina anatiny roa andro ny lalana 100km mahery kely.

Sahirana tanteraka ny vahoaka ‚ tsy hita taratra mivaingana ny tamberin’andraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana . Kanefa nilokaloka sy nirefodrefotra ny bala rora sy fampanantenana nataony Filoha amperinasa nandritra ny fampielezan-kevitra tao Bealanana ka roboka ny vahoaka izay nantao fitaovana . Milaza fa hidina ifotony aty amin’ny faritra Sofia tsy hoela ny filoham-pirenena araka ny vaovao miely ‚ hizara riz cantonais sa hitondra kilalao sa hanamboatra lalana na hitondra fampanantenana vaovao indray ka hampaninofy vahoaka mba hatoky azy indray amin’ny fifidianana ho avy? Hoy ny olom-pirenena sasany mametra-panontania.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment