RN2 : VEHIVAVY NIBORIDANA NANAKANA FIARA TAMIN’NY ANDRO ALINA‼️
Tsy honohono fa tena izy‚ tao amin’ny lalam-pirenena faha-02 omaly 22 Mey 2023 tokony ho tamin’ny 09 Ora alina. Vehivavy iray niboridana tanteraka nisakan-dalana teny amin’ny arabe‚ tsy afa-nihetsika ilay fiara vaventy iray izay voasakany ka nampitohana ny fifamoivoizana teo Ambatolampikely – Ambohimalaza.
Tsy mpamosavy izy fa olona marary saina fotsiny‚ raha ny fanazavana nataon’ireo nanatrimaso. Nanararaotra naka sary sy horonan-tsary ny sasany nanaparitaka izany tato amin’ny tambazotran-tserasera. Efa nalainy havany ilay vehivavy araka ny fanazavana hatrany.