RN 31 : HATAO « GOUDRON » HATRANY ANDAPA‼️
Ny Desambra 2022 izao no hanomboka ny asa fanamboaran-dalana mampitohy Antsohihy – Bealanana ‚ lalam-pirenena faha-31 Izay manomboka eo Ankazobetsihay . Ho vitaina Tara na « Goudron » ny lalana ary ho tohizana hatrany Andapa izany ‚ efa nisy ny fitsirihina nataon’ireo teknisianina amon’izany ‚ hoy ny fanambarana nataony Jeneraly LYLYSON René de Rolland androany 13 Jolay 2022.
Famatsiambola avy amin’ny « Bank Mondiale » no hatanterahana izany ‚ hoy hatrany ny fanazavana.