a
FandraisanaPolitikaRESAKA « CHAMPION » ILAY RAHA

RESAKA « CHAMPION » ILAY RAHA

RESAKA « CHAMPION » ILAY RAHA

Nitsidika ny faritra Bongolava ‚ anatin’ny hetsika MIHAVA TOUR i Siteny Randrianasoloniaiko androany zoma 17 Martsa 2023 . Nandritra ny fandraisam-piteneny no nanambarany fa izy no tena mpandresy fa tsy sarin-tsariny !

 In-15 nadresy ( champion de Madagascar ) ary nivoaka tamin’ny haino aman-jery sy azo amarinina avokoa izany ‚ hoy Siteny Randrianasoloniaiko androany . Ity farany moa ahiana sy atahorana mafy ho anisany kandida matanjaka amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena.

Tsiahivina fa efa nilaza ny maha mpandresy azy koa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 16 Martsa 2023 tao Andoharanofotsy . Nambarany tamin’izany fa miraraka pipi amin’ny pataloa ireo mpifanina aminy raha vao mandre ny anarany ‚ na fifaninana ara-politika na fanatanjahantena.

 Samy teho mpandresy avokoa ireto olom-boafidy roa heverina hifaninana amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena ireto . Tsy kilalao na ady amin’ny fampiasan-kery ara-batana eny ambony tatamia anefa ny raharaham-pirenena na koa mitovy amin’ny tranom-pody vitan’ny vava fa vahaolana maharitra mipaka ifotony amin’ireo krizy sy fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy no andrasana sy hitarafana ny fandresen’ireo mpanao politika na mpitondra raha tehibata fandresena sy tehisalotra ny anarana MPANDRESY ‚ hoy ny olom-pirenena tsotra maneho ny heviny ‚ manoloana ny toedraharaha ara-politika izay manomboka mafana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment