a
FandraisanaFialambolyRESA-BE MOMBA NY FANORENANA NY TSENA MANARAPENITRA

RESA-BE MOMBA NY FANORENANA NY TSENA MANARAPENITRA

RESA-BE MOMBA NY FANORENANA NY TSENA MANARAPENITRA

 Natsahatry ny Ben’ny tanàna ny asa ‚ fanorenana fotodrafitr’asa tsy fanta-pototra izay voalaza ho tsy nanara-dalàna misy eto amin’ny tany sy ny firenena ary tsy mahafantatra ny momba azy io mihitsy ny kaominina ‚ narahana Didi fampitsaharana izany mba hahatonga saina ireo tompon’andraikitra voakasika amin’ny fanorenana ho fametrahana ny tany Tan-dalàna.
Fantatra taoriany fepetra noraisina io fa ny volan’ny CIAD izay tantanin’ny solombavambahoaka no hametrahana ity fotodrafitr’asa izay voalaza ho tsena marapenitra ity . Midika ve izany fa ny solombavambahoaka no namporisika olona ireo tsy hanara-dalàna sy hanao amboletra ? Sa ilay rafitra misy mihitsy no tsy fantatr’izy ireo ? Hoy ny fanontaniana apetraky ny olom-pirenena izay mahatsikaritra fa tena misy tokoa izany mpitaribato vilam-bava izany ao Bealanana.
Tsy nahasakana ireo mpanao fotodrafitr’asa moa ilay didim-pitondrana navoakany kaominina fa mitohy ny asany fanorenana ‚ ny kaominina rahateo nilaza fa misy tsy misakana fampandrosoana izy fa tokony samy hanara-dalàna ary ho fitaratra amin’izany ny mpitondra raha liam-pandrosoana tokoa.

BEALANANA : RESA-BE MOMBA NY FANORENANA NY TSENA MANARAPENITRA ▪️TSY FAHAIZANA RAFITRA VE SA FINIAVANA TE HANAO BAROFA

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-