a
FandraisanaSosialyRASOLOFOSON EMILE : NANOLOTRA VILANI-BE MIARAKA AMIN’NY KOJAKOJA MARO HOAN’IREO SOJABE SY ZOKIOLONA AO ANJIAMANGIRINA‼️

RASOLOFOSON EMILE : NANOLOTRA VILANI-BE MIARAKA AMIN’NY KOJAKOJA MARO HOAN’IREO SOJABE SY ZOKIOLONA AO ANJIAMANGIRINA‼️

RASOLOFOSON EMILE : NANOLOTRA VILANI-BE MIARAKA AMIN’NY KOJAKOJA MARO HOAN’IREO SOJABE SY ZOKIOLONA AO ANJIAMANGIRINA‼️

Anisany mampanahirana ireto Ray aman-dReny‚ Zokiolona‚ Sojabe ireto rehefa misy lanonana iraisana na dinika maika ivondronan’ny rehetra ny tsy fahampiany fitaovana fikarakarana sakafo. Nisy ny fangatahana tonga tamin’i RASOLOFOSON EMILE Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina amin’ny maha zanaka Antsohihy azy nataon’ireo Sojabe ireto nandritra ny fandalovany tao Anjiamangirina ary tamin’izany no nampanantenainy fa ataony sy omeny araka ny fangatahana sy fiangaviana nataon’ireo Ray aman-dReny.

Omaly 01 Jona 2023 no natolotra teo anatrehan’izy ireo ireto fitaovana toy ny VILANI-BE SY SOTRO ARY KAPILA (vilia) maro ireto. Faly ireo zokiolona‚ ireo Sojabe Ray aman-dReny mpitanjiny an-tanàna ka nitsodrano an’i Rasolofoson Emile Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina Sofia.

Tsy werawera fa fahatsiarovana sy valim-babena ary fanomezana hajana sy voninahitra ireo Ray aman-dReny‚ Sojabe nipoirana no antony fanomezana ny tena rahateo zana-tany‚ hoy ny fanazavana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment