a
FandraisanaVaovaom-paritraRASAZY NAMOY NY AINY VOKATRY NY LOZA AN-DRANOMASINA TAO AMPONDRABE ANTSOHIHY : NATAO VELOMA TAO AMIN’NY SDSP

RASAZY NAMOY NY AINY VOKATRY NY LOZA AN-DRANOMASINA TAO AMPONDRABE ANTSOHIHY : NATAO VELOMA TAO AMIN’NY SDSP

RASAZY NAMOY NY AINY VOKATRY NY LOZA AN-DRANOMASINA TAO AMPONDRABE ANTSOHIHY : NATAO VELOMA TAO AMIN’NY SDSP

Natao veloma farany tao amin’ny SDSP Antsohihy androany 13 Septambra 2022 itompokovavy Mauricia Idéale ‚ Rasazy niasa tao Ambiky ‚ namoy ny vokatry ny loza niseho tao Ampondrabe ny 11 Septambra 2022 teo.

Nandritra ny famangiana nataon’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana no nahafantarana fa namoy ny niaraka tamin’ny Rasazy tany an-dranomasina ny zanany 04 taona sy anadahiny 22 taona ary ny vady andefomandriny izay Kapiteny nitondra ilay Botry avy tany Ambiky . Ny fanazavana no nahafantarana fa niezaka nanavotra ireo olona tao anaty Botry ilay Kapiteny saingy reraka ihany ity farany rehefa nivezivezy nilomano nanavotra ireo olona nilentika tao anaty ranomasina.
🌺🙏 Mirary ireo namoy ny ainy handry ampiadanana 🙏🌺
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment