a
FandraisanaVaovaom-paritraRAHARAHA MOMBA NY FIP SAMBAVA : NANAO FANAMBARANA POLISIM-PIRENENA‼️

RAHARAHA MOMBA NY FIP SAMBAVA : NANAO FANAMBARANA POLISIM-PIRENENA‼️

RAHARAHA MOMBA NY FIP SAMBAVA : NANAO FANAMBARANA POLISIM-PIRENENA‼️

Manoloana ny trangana fandratrana olona voalaza fa nataona Polisy miasa ao amin’ny FIP Sambava izay nivoaka tamin’ny tambazotran-tserasera FB dia mampahafantatra ny Polisim-pirenena fa efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ahitana ny zava-niseho tena marina.

Ny zava-misy aloha dia fantatra fa nandritra ny savorovoro dia nisy ny naratra na teo amin’ireo olona sivily na ny teo anivon’ny Polisy.

Tsara ny mampahafantatra fa araka ny fomba fitantanana eto anivon’ny Polisim-pirenena dia tsy maintsy misy ny fandraisana andraikitra ho an’ny polisy manao fihoaram-pefy .

Ireo rehetra mihevitra fa voatohintohina amin’izao raharaha izao, ny naratra sy izay mety simba fananana dia afaka mametraka fitoriana.

Ny Polisim-pirenena dia mitandro toy ny anak’andriamaso ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fampiharana ny lalàna.

Andrasana araka izany ny tohiny fanadihadiana sy izay mety fepetra ho raisin’ireo manampahefana manoloana iny raharaha iny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment