RAHARAHA FAHAVEREZAN-JAZAMENA TAO AMIN’NY KLINIKA TOLIARA : NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA IREO VOAROHIROHY
Efa any am-ponja ‚ nahiditra vonjimaika ilay vehivavy nahatrarana ny zazamena very tao amin’ny toeram-pitsaboana iray tao Toliara izay nahoraka tato amin’ny tambazotran-tserasera ny 10 Janoary 2023 teo . Nahiditra am-ponja ihany koa ilay mpampivelona rehefa niakatra fampanoavana androany 13 Janoary 2023 raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny olona roa hafa izay samy voarohirohy tamin’ity raharaha ity.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.