a
FandraisanaPolitikaRABEAMINA OLIVIER dit LEKARANY : FAHOBIAZANA TANTERAKA NO AMINTINANA NY LANONANA TAO AMPARIHY‚ TONGA NILOLOHA NY TGV NY DEPIOTE MPITARIKA MIHAVA TOUR‼️

RABEAMINA OLIVIER dit LEKARANY : FAHOBIAZANA TANTERAKA NO AMINTINANA NY LANONANA TAO AMPARIHY‚ TONGA NILOLOHA NY TGV NY DEPIOTE MPITARIKA MIHAVA TOUR‼️

RABEAMINA OLIVIER dit LEKARANY : FAHOBIAZANA TANTERAKA NO AMINTINANA NY LANONANA TAO AMPARIHY‚ TONGA NILOLOHA NY TGV NY DEPIOTE MPITARIKA MIHAVA TOUR‼️

Tsy miova ary tsy mbola nivadika tamiko ny vahoakan’i AMPARIHY izay efa nonahana ahy hatrizay ka hatramin’izao. Nandefa fanasana hoan’olona rehetra ny mpikarakara lanonana fankalazana ny fetim-behivavy tany an-toerana ka anisany nahazo fanasana hiatrika izany ny tenako izay filoha mpitarika ny antoko TGV Port Bergé.

Voaporofo teto fa mbola mitazona ny heviny ny vahoaka izay nisalotra ny ankanjo sady nilanja sora-baventy TGV. Tonganay niloloha TGV ihany koa ny Depiote mpitarika MIHAVA TOUR. Anisany kaominina nisitraka fampandrosoana ao Amparihy ka niantso ny mbola hirotsa-kofidiana ny filoha Andry Rajoelina izy ireo‚ hoy Rabeamina Olivier dit Lekarany tao amin’ny kaonty Facebook-ny. Nambarany fa fotoana hanomezan-desona ireo mpanao politika kanosa izao.

Tsy mila Andry Rajoelina izany tao fa voafitaka ny vahoaka izay nanantena ny fidinan’ny vidim-piainana ( savony‚ menaka‚ siramamy…) fa tsy hitarina lava ny resaka‚ raha izany no mampilamina‚ ny fifankatiavana sy fiarahana no zava-dehibe fa tsy fifandrafesana ara-politika na fampiasana baramina amin’ny fanaovana politika. Tsy mendrika ny faritra Sofia ny herisetra amin’ny fanaovana politika‚ na izany aleo ny vokatra ( voka-pifidianana) no hitsara azy‚ hoy kosa Depiote Djaosera Irénée izay mpitarika MIHAVA TOUR ato amin’ny faritanin’i Mahajanga raha nanontaniana momba ny fandalovany tao amin’ny kaominina Amparihy Port Bergé ny 12 Jona 2023 teo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment