a
FandraisanaPolitikaPROFESORA TEHINDRAZANARIVELO DJACOBA : FAMPANANTENANA PAOKATY NO NATAON’NY FILOHAM-PIRENENA TAMIN’NY ZANAKIN’NY FARITRA SOFIA▪️ RARINY RAHA HIMENOMENA SY MITARAINA HATRAMIN’NY MPOMBA AZY

PROFESORA TEHINDRAZANARIVELO DJACOBA : FAMPANANTENANA PAOKATY NO NATAON’NY FILOHAM-PIRENENA TAMIN’NY ZANAKIN’NY FARITRA SOFIA▪️ RARINY RAHA HIMENOMENA SY MITARAINA HATRAMIN’NY MPOMBA AZY

PROFESORA TEHINDRAZANARIVELO DJACOBA : FAMPANANTENANA PAOKATY NO NATAON’NY FILOHAM-PIRENENA TAMIN’NY ZANAKIN’NY FARITRA SOFIA▪️ RARINY RAHA HIMENOMENA SY MITARAINA HATRAMIN’NY MPOMBA AZY

Tafiditra anatin’ireo telo voalohany amin’ny habetsahan’olona mifidy ny zanakin’ny Faritra Sofia raha arovana ny antotan’isa momba izany eto Madagasikara ‚ Anisany nampandany sy nametraka ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay mitondra ankehitriny ihany koa ny zanakin’ny faritra ‚ kanefa zava-poana izany ankehitriny fa tsy mba misy tamberin’andraikitra tonga hoan’ny vahoakan’ny Faritra . Rariny raha himenomena ireo Solombavambahoaka zanaky ny Faritra Sofia ‚ mpanohana fitondrana mijoro ankehitriny satria mahatsiro ho afa-baraka amin’ireo fampanantenana paokaty izay tsy misy tanteraka na iray aza ‚ hoy ity manam-pahaizana zanakin’ny Faritra Sofia ‚ Profesora Tehindrazanarivelo Alain Djacoba ity raha ahitsy ny fanehoan-keviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena sy ny zava-misy maharary iainan’ny vahoakan’ny Faritra Sofia.

Mampalahelo ny zava-misy hoy hatrany izy ‚ maninona raha noesorina fotsiny ny Governoran’ny Faritra Sofia rehefa tsy tiana fa tsy nalain-baraka tahaka ireny ? Mendrika omena valiny na tamberin’andraikitra ny zanaky ny Faritra izay nanao ezaka tamin’ireny fifidianana ireny . Tokony hahay hiaino ny olony ihany koa ny mpitondra ary handray fanapahan-kevitra manoloana izany fa raha tsy izany dia ho ratsy fiafara ity fitondrana ity.

 Marihina fa potika avokoa ny lalam-pirenena rehetra mampifandray ny Distrika 07 mandrafitra ny faritra Sofia ‚ tsy mbola misy vita tanteraka ireo fotodrafitrasa nampanantenaina ‚ kianja manarapenitra ‚ ny sasany aza efa mila ho rodana sy tsy misy mpiasa miasa intsony ‚ toraka izany ihany koa ny hopitaly manara-penitra ary ny oniversite manarapenitra . Enim-bolana sisa fotoana afahan’ny fitondrana Rajoelina mandrebireby sain’ny zanakin’ny Faritra Sofia mba hiverenan’ny fitiavany . Tsikaritra ihany koa fa indray mandeha ihany no mba nitsidika ny Faritra Sofia ny filoha Andry Rajoelina hatrizay nahalany azy sy nandraisany fahefana tamin’ny 2019 ary distrika iray ihany nitsidihiny tamin’izany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment