PROFESORA LOULLA CHAMINAH : ATAHORANA MAFY KA HAMORONANA “DOSSIER”
Nanaitra ny mpanara-baovao ny fahitana ny fanehoan-kevitra nisesisesy nataon’ny Profesora Loulla Chaminah tao amin’ny kaonty Facebook-ny tatoato izay . Nanomboka nanadihady momba izany ny mpanao gazety ary namantatra izay mety ho antony fanehoan-kevitra fa tsy tongatonga ho azy izany.
Talen’ny sekoly fampianarana lalàna ao Mahajanga izay efa misy rantsana amin’ny Faritra maro ‚ Profesora vehivavy zandriny indrindra manana diplôme HDR eto Madagasikara izy . Efa nisy nikasa haka an-keriny izy sy ny mpiaramiasa aminy tamin’ny taona 2019 saingy tsy tanteraka izany ‚ izao indray misy mikasa hitoroka azy eo amin’ny Bianco ‚ mba handotoana azy . Raha ny vaovao miely ao Mahajanga dia atahoran’ireo mpanao politika mpanohana fitondrana sasany mafy izy nohon’ny traikefa sy fahaizana ananany ka farahian’izy ireo amin’ny fanendrena Minisitra izay manomboka maresaka tatoato.