PRAMINISITRA NTSAY CHRISTIAN SY IREO MPIKAMBANA AMIN’NY GOVERNEMANTA : NITONDRA TENY FANKAHEREZANA SY FAO-DRANOMASO HOAN’NY FIANAKAVIANA NAMOY HAVANA VOKATRY NY LOZA TAO ANKAZOMBORONA ‚ AMBILOBE
Niampatrampatra ny fatin’ireo olona tra-doza tao Ankazomborona ‚ nohentina ao Ambilobe . Vao maraina dia efa tonga nidodododo ‚ nankahery ireo fianakaviana namoy havana ‚ ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ao amin’ny Faritra Diana – Rtoa Jocelyne Maxime sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana maro.
Mbola androany maraina ny 13 Martsa 2023 ihany no tonga nisolontena ny filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana Malagasy ny Praiminisitra NTSAY Christian sy mpikambana eo anivon’ny Governemanta ‚ nankahery ny fianakaviana ary nitondra fao-dranomaso araka ny fomba.
Ny sambo kely haingam-pandeha nitondra olona 47 hivoaka antsokosoko ho any Mayotte izay rendrika ka namoizana ain’olona 22 no antony fidinana tampoka izao.