POTIKA NY ALA HONKO AO AMIN’NY ALA AROVANA AMBARIOBE
Efa zary ho fahazarana ny tetik’ala ataon’ireo olom-bitsy izay mahazo tombony miserana amin’ny fanapahana sy fanondranana ireo ala-honko ao amin’ny ala arovana Ambariobe ‚ kaominina Tsiningia – Distrikan’i Port Bergé izay mitohy andro aman’alina.
Velon-taraina araka izany ireo mponina ‚ misehatra amin’ny Jono izay manahy mafy amin’ny hahalany tamingana ireo vokatra an-dranomasina noho ny fahapotehany tontolo iainana ‚ indrindra ny ala honko ka manaitra ny tompon’andraikitra mba hidina ifotony ary handray fepetra haingana momba izany.
BIZNA MISERANA – HANIMBANA NY HOAVIN’NY TARANAKA FARA MANDIMBY
TSY EKENA