a
FandraisanaVaovaom-paritraPORT BERGÉ : OLONA TELO VOAROHIROHY TAMIN’NY FAMONOANA TOVOLAHY ROA TAO ANGODOGNO▪️EFA VOASAMBOTRY ZANDARY SAINGY NAVOTSOTRA NOHON’NY BAIKON’NY SOLOMBAVAM-BAHOAKA

PORT BERGÉ : OLONA TELO VOAROHIROHY TAMIN’NY FAMONOANA TOVOLAHY ROA TAO ANGODOGNO▪️EFA VOASAMBOTRY ZANDARY SAINGY NAVOTSOTRA NOHON’NY BAIKON’NY SOLOMBAVAM-BAHOAKA

PORT BERGÉ : OLONA TELO VOAROHIROHY TAMIN’NY FAMONOANA TOVOLAHY ROA TAO ANGODOGNO▪️EFA VOASAMBOTRY ZANDARY SAINGY NAVOTSOTRA NOHON’NY BAIKON’NY SOLOMBAVAM-BAHOAKA

Misavorovoro tanteraka ao Angodogno amin’izao fotoana izao . Nitrangana vono olona mahatsiravina tao Angodogno ‚ kaominina Leanja Distrikan’i Port Bergé ny volana Jona 2022 teo . Tovolahy roa maty notetehan’olona tamin’izany fotoana izany rehefa nikasa hamonjy alim-pandihizana tany an-toerana . Efa maty ireo olona ireo vao nanao fampilazana ireo vontondro ho namono fa nahafaty dahalo ‚ tamin’ny mpiaramonina . Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa fianakaviana iray ihany izy ireo ary efa nisy lonilony efa ela noho ny ady tany sy fialonana amin’ny fahazahoam-bokatra ao an-tanàna.

Nisy ny fitorohana nataon’ireo fianakaviana sasany izay namoy havana teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Port Bergé . Nanao “ soit-transmis ” tany amin’ny GAPJ “ Groupe d’Appuis de Police Judiciaire ( Recherche criminelles ) ” ny tonia mpampanoa lalàna ao Port Bergé momba io raharaha io ‚ afahana mandray fanapahan-kevitra momba ilay tranga vonon’olona.

Nisy ny fidinana ifotony nataony zandary taoriany famotorana natao tamin’ireo tompon-kavana sy vavolombelona . Efa nohentiny zandary avy any ireo olona telo amin’ireo olona 06 voatondro ho tompon’antoka saingy navotsotra teny an-dalana izy ireo rehefa niditra an-tsehatra tamin’ity raharaha ity ny solombavam-bahoaka voafidy tao Port Bergé . Voalaza mantsy fa tsy nitsahatra niantso ireo manampahefana ( zandary sy ny tonia mpampanoa lalàna ) ny solombavam-bahoaka ‚ mba hamotsorana sy hamelana ireto olona efa teny ampelatanany zandary mba hatao famotorana aty Antsohihy ireto raha ny loharanom-baovao voarainay.

Ankoatrizay ‚ voalaza fa namporisihin’ilay solombavam-bahoaka ny fokonolona ao an-tanàna mba hisambotra ireo olona telo hafa ‚ nanoro lalana ireo zandary hiditra any an-tanàna . Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa nofatorana tady ireo olona telo ireo amin’izao ‚ mba hitakiana vola be ‚ dina na hamoronana « dossier » mba afahana manameloka azy ? Manahy mafy amin’ny mety hanaovana fitsaram-bahoaka hamonoana ireo havany ‚ olona nody avy nanatitra zandary ireo ny fianakaviana ka miantso vonjy amin’ny tompon’andraikitra sy manampahefana tandrify izany.
Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny…
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment