a
FandraisanaVaovaom-paritraPORT BERGÉ : MAY KILA TSY NISY AZO RAISINA NY TRANOMBAROTRY LEKARANY

PORT BERGÉ : MAY KILA TSY NISY AZO RAISINA NY TRANOMBAROTRY LEKARANY

PORT BERGÉ : MAY KILA TSY NISY AZO RAISINA NY TRANOMBAROTRY LEKARANY

 Raha ny fampitam-baovao voaray dia lasa lavenona ny entana tao amin’ny tranombarotra laharana faha-11 sy faha-12 an’ingahy LEKARANY Mpanao politika fanta-daza sady efa kandida Solombavambahoaka tao Port Bergé ‚ androany 22 Janoary 2023 tokony ho tamin’ny 01 Ora maraina teo.

Tsy nisy azo noraisina fa may avokoa ny entana sy ny vola tao anatiny . Tsy voakasiky ny afo kosa ny trano manodidina ao Tsararivotra Port Bergé izay nisy ity tranga ity ‚ raha ny fanazavana hatrany.
Miroso amin’ny fanadihadiana ny tompon’andraikitra.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment