a
FandraisanaFialambolyPONT SOFIA – MANDEHA NY FANARENANA SY FANATSARANA AZY

PONT SOFIA – MANDEHA NY FANARENANA SY FANATSARANA AZY

PONT SOFIA – MANDEHA NY FANARENANA SY FANATSARANA AZY

Tetezana vita sy nitokanan’ny Filoham-pirenena Philibert Tsiranana ny 30 Jona 1960 ny « PONT SOFIA » ‚ 34 KM miala ny tanànan’i Befandriana avaratra makany antsinana amin’ny lalam-pirenena faha-32 ary 80 KM kosa raha miala avy any Mandritsara.

Mirefy 198 Metatra ny halavany ‚ vita tamin’ny VY milanja 370 taonina ary vato kely mifangaro simenitra 1.100 m³ izy ity ‚ izay namboarin’ny Orinasa Eiffel . Mahazaka fiarakodia 25 taonina miaraka eo amboniny ‚ manao aloha sy aorina na 50 taonina eo izy.

Tetezan’i Philibert Tsiranana Sofia na « Pont Philibert Tsiranana Sofia » no niantsoana azy tamin’izany fotoana ary niova ho « Pont Sofia » izy tati aoriana rehefa rakotra olona namorona tanàna ‚ zary ho kaominina ahitana fokontany 05 ankehitriny anatin’ny Distrikan’i Mandritsara izy.

Mandeha ny fanarenana azy ankehitriny ary hoavaozina ny lokony araka ny fanazavana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-