a
FandraisanaPolitikaPOLITIKA : ZARAZARAO HANJAKANA

POLITIKA : ZARAZARAO HANJAKANA

POLITIKA : ZARAZARAO HANJAKANA

Tsy misy olona vaovao fa teo ihany no teo ‚ izay tsy notendrena minisitra omena toeran-kafa ‚ izay esorina minisitera ambadika afindra ambadika dia mivadibadika eo fa tsy misy fijerena traikefa sy fahaizana ? fa mila manendry sy manome toerana ireo namana mba samy minana dia samy voky mandrapahantaperany fe-potoana voafaritra ao anaty lalam-panorenana ? Ny fahasahiranam-bahoaka anefa mitombo isan’andro ary latsaka an-katerena ny firenena fa tsy mbola hita izay vahaolan matotra hoan’ny fiainam-bahoaka na sosialim-bahoaka izay nodradradraina sa ny fizarana vary isaky ny fandalovany filoha sy ny minisitra no vahaolana matotra sy maharitra hitan’ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ? hoy ny olom-pirenena maneho ny heviny.

Izao fizarana seza isaky ny mihetsika izao angamba ilay ranondranony voalazan’ny sasany ary izay tsy mahazo mimenomenona manomboka miandany amin’ny fanoherana fa na izany tsy sahy mijoro tanteraka fa miandry fahataperany fotoam-pitondran’ny Filoha amperinasa ankehitriny ?

Araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra nivoaka sy nampahafantarina ny vahoaka Malagasy ny alakamisy 09 Martsa 2023 dia notendrena ho mpanolotsaina manokan’ny Filoha amperinasa ireto olona 04 ireto . Ny fanajana sy fametrahana ny mangarahara amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana no anton’izany fampahafantarana izany araka ny fanazavana.

 Tsy olom-baovao akory izy ireo fa efa samy nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena fa indrindra tamin’ny fitondran’ny Filoha Andry Rajoelina . Andrasana ny vahaolana sy fiovana ary rivo-baovao hoentin’ireto olona notendrena ireto ao anaty enim-bolana mialoha ny fahataperany fotoam-piasan’Andriamatoa Filoham-pirenena.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment