a
FandraisanaSportPOLISIM-PIRENENA SOFIA : MIANTSO NY OLONA REHETRA HANATEVIN-DAHARANA AMIN’NY FAMARANANA NY FANKALAZANA NY FAHA-60 TAONA NY POLISIM-PIRENENA

POLISIM-PIRENENA SOFIA : MIANTSO NY OLONA REHETRA HANATEVIN-DAHARANA AMIN’NY FAMARANANA NY FANKALAZANA NY FAHA-60 TAONA NY POLISIM-PIRENENA

POLISIM-PIRENENA SOFIA : MIANTSO NY OLONA REHETRA HANATEVIN-DAHARANA AMIN’NY FAMARANANA NY FANKALAZANA NY FAHA-60 TAONA NY POLISIM-PIRENENA

Vavaka firaisam-pinoana niarahana tamin’ny FFKM tao amin’ny EKAR Antsohihy no nanokafana ny famaranana ofisialy ny faha-60 taona ny Polisim-pirenena tato amin’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Sofia.

Mpitandrina mivondrona ao anaty FFKM ‚ ireo tompon’andraikitra lehiben’ny sampandraharaha izay nisoloan’ny Préfet sy sekretera jeneralin’ny faritra Sofia tena ary ireo mpitandro filaminana no nanamarika izany androany 29 Septambra 2022.

Hitohy rahampitso 30 Septambra 2022 ‚ amin’ny alalany fiarahana manao diabe ‚ hazakazaka iarahan’olona rehetra tsy an-kanavaka ‚ mihainga avy ao amin’ny Biraon’ny faritra Sofia amin’ny 06 Ora maraina ny fotoana . Tongava izay afaka ‚ mba hanatevin-daharana ary hiaraka hamarana ny fankalazana ny faha-60 taona nisian’ny Polisim-pirenena teto Madagasikara ‚ hoy ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Sofia ‚ Commissaire Principal Moratamby Roger ‚ nitondra fanentanana hoan’ny rehetra.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment