PLATEFORME DES JEUNES MANDRITSARA : NIFANOME TÀNANA TAMIN’NY FAMELOMA-MASO IREO BALISE ENY AMORON-DALANA‼️
Mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana izahay tanora ka nisy ny fameloma-maso ireo “ balise ” eny amoron-dalana androany marainan’ny 20 Oktobra 2022 . Santatra ambavarano ihany izao fa hitohy amin’ny sehatra maro ny hetsika ‚ hisy ny fanentanana tanora ‚ mba tsy hiraviravy tànana fa ho tena tompon’andraikitra amin’ny hoaviny sy ny taranany ‚ hoy Emmanuel ‚ Filoha mpitarika ny vondrona iraisany tanora ao amin’ny Distrikan’i Mandritsara ( Plateforme des jeunes de District de Mandritsara ).
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.