PATRICK RAHARIMANANA : ATSIKA JIABY NIANATRA IO MOA IZANY BADO, KA MANAIKY ENTIN’NY OLONA BADO SY TSY NIANATRA
Izany indray zao no vohizina, fa izay tsy manam-bola, tsy manana haino aman-jery, tsy manana hélicoptère, dia aza milatsaka ho fidiana Filoham-pirenena fa mandany andron’ny mpifidy.
Mba tiako ho hita ny filazam-pananan’ireo milaza manana sy mampiasa hélicoptère. Ary indrindra ny hetra naloany mifanandrify amin’izay fananany izay.Raha tsy izany dia famatsiam-bola avy any ivelany, izay voararan’ny lalàna, tsy inona fa famarotana tanindrazana alohan’ny fotoana . Averiko foana, atsika jiaby nianatra io moa zany bado, ka manaiky entin’ny olona bado sy tsy nianatra? ‚ hoy ny fanehoan-kevitra nataon’i Patrick Raharimanana manoloana ny fanambarana nataony Filoham-boninahitry ny antoko politika AVI tany Toliara.