a
FandraisanaVaovaom-paritraPASKA IREN-DOZA : MANENTANA NY REHETRA SAMY HANARA-DALÀNA SY NY LAMINA NAPETRAKA NY LEHIBEN’NY PREFEKTIORA ANTSOHIHY‼️

PASKA IREN-DOZA : MANENTANA NY REHETRA SAMY HANARA-DALÀNA SY NY LAMINA NAPETRAKA NY LEHIBEN’NY PREFEKTIORA ANTSOHIHY‼️

PASKA IREN-DOZA : MANENTANA NY REHETRA SAMY HANARA-DALÀNA SY NY LAMINA NAPETRAKA NY LEHIBEN’NY PREFEKTIORA ANTSOHIHY‼️

Mba afahany vahoaka miaina ao anatin’ny fitoniana sy filaminana amin’ny fiatrehana ny fetin’ny paska dia nanapa-kevitra ny hanamafy ny fanarahamaso ny « OMC Élargie » izay tarihiny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy ato amin’ny faritra Sofia – Naryson Roch Léopold.

Betsaka ny fiara mivezivezy rehefa atoandro ‚ mamonjy ireny toerana fitsangatsanganana ireny amin’izao fetin’ny paska izao ‚ eo ihany koa ny olona mamonjy ny toeram-pivavahana amin’ny alina ka noho izany ‚ miaramiasa ny hery velona rehetra ary samy mandray ny tandrify azy . Ny mpitandro filaminana manao izay hisiany fandriampahalemana sy fitoniana mialoha – mandritra – aorian’ny fety ‚ ny tompon’andraikitra misahana ny fitaterana manaramaso ny fanarahan-dalàna an-tanety sy eny an-dranomasina mba tsy hiasany loza ‚ hoy ny fanazavana nataony lehiben’ny Prefektiora.

Omaly ihany dia nidina ifotony nanao izany fanarahamaso izany tao amin’ny seranan-tsambo ( Port Solima ) Antsohihy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny APMF sy ny Tale iraisam-paritry ny fitaterana Sofia sy Betsiboka . Nitohizana tamin’ny hetsika fampatsiahivana sy toromarika hoan’ny mpamily sy tompon’andraikitry ny koperativa ao amin’ny parikazy be izany ary nofaranana tamin’ny fitsirihana sy fanentanana vahoaka mitondra kodiaran-droa ( moto ) mba hanao aro-loha ( casque ).

Tsy maintsy manao “gilet de sauvetage” ny mpandeha rehetra amin’ny sambo na botry an-dranomasina ary tsy mahazo mitondra entana sy vesatra mihoatran’izay efa voafaritry ny lalàna ny botry na Sambo ‚ tsy mahazo mandeha amin’ny Alina ‚ mba ho fisorohana ny loza sy aim-bahoaka mampiasa ranomasina . Tsy azo ekana ny dona miverina sy tsentsimbe ary fitondrana ny fiara tsy ara-dalàna ‚ asaiko miverina raha tratrako na efa any Mahatsinjo sy any Ambanja aza ka manao izany fandikan-dalàna izany ‚ tsy azo ampiasaina ato amin’ny faritra Sofia ny laharany fiara miasa any Antananarivo na Toamasina ary tsy maintsy maka fahazahoan-dalana manokana sy mandalo fitsirihana manokana ny fiara izay hitatitr’olona na fianakaviana mandritra ny fetin’ny paska ‚ hoy Toandro Sébastien – Tale iraisam-paritry ny fitaterana Sofia sy Betsiboka ‚ nampita hafatra hentitra tamin’ireo mpamily sy mampiasa ranomasina.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment