a
FandraisanaPolitikaPASITERA MAILHOL NO FILOHAM-PIRENENA MANDIMBY AN’I ANDRY RAJOELINA

PASITERA MAILHOL NO FILOHAM-PIRENENA MANDIMBY AN’I ANDRY RAJOELINA

PASITERA MAILHOL NO FILOHAM-PIRENENA MANDIMBY AN’I ANDRY RAJOELINA

Efa samy manetsiketsika ny antoko politika misy azy ary miomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena ny mpanao politika eto Madagasikara amin’izao ‚ manomboka mafana ny ady hevitra sy manehoan-kevitra ara-politika ‚ mandeha ny fitetezam-paritra sy faminganana madinidinika ataony sasany hoan’ny kandida izay atahorany.

Hatreto tsy mbola nandrenesam-peo mazava na mbola handray anjara amin’ny fifidianana na hanohana kandida ny antoko politika GFFM izay tarihiny Pasitera Mailhol fa na izany ‚ Manomboka misy mivoy eny anivon’ny fiarahamonina fa mizotra makany amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’ny PASITERA MAILHOL ny zava-misy ankehitriny ary io Pasitera io no filoha handimby ny filoha amperinasa ankehitriny raha ny faminaniana sy ny resaka miely.

Tsiahivina fa efa nilaza fotoana hahatanterahany ny faminaniany i Pasitera Mailhol André Christian Dieu Donné ‚ izy no ho Filoham-pirenena ny taona 2013 saingy rehefa natao ny kajy nisy fahadisoany iny daty voalaza iny fa raha tena nodinihina ilay faminaniana dia hisy filoha roa eo alohany aorian’ny fitondrana Ravalomanana ka heverina ho Filoha Hery Rajaonarimampianina sy Filoha Andry Rajoelina ireo filoha roa eo alohany ireo . Raha mbola lany amin’ny fifidianana hoavy ny filoha Andry Rajoelina na ny filoha Hery Rajaonarimampianina miverina eo dia mbola ao anaty faminaniany isika raha ny fanazavana fa aorian’izy roa ireo kosa dia izy Pasitera Mailhol no filoha hitondra tanin’ny repoblikan’i Madagasikara ‚ araka ny faminaniana.

Kajikajy ara-politika sa tena faminaniana tokoa ? Mety ho tanteraka tokoa ve io raha Kajikajy ara-politika na koa hoe faminaniana ? Fanontaniana ampetraky ny mpanara-baovao.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment