a
FandraisanaSosialyPAOSITRA MALAGASY ANTSOHIHY : MITOHY HATRANY NY FANATSARANA FOMBA FIASA ‚ HANOMEZANA FAHAFAHAM-PO NY MPANJIFA

PAOSITRA MALAGASY ANTSOHIHY : MITOHY HATRANY NY FANATSARANA FOMBA FIASA ‚ HANOMEZANA FAHAFAHAM-PO NY MPANJIFA

PAOSITRA MALAGASY ANTSOHIHY : MITOHY HATRANY NY FANATSARANA FOMBA FIASA ‚ HANOMEZANA FAHAFAHAM-PO NY MPANJIFA

Afaka mandefa entana manerantany ‚ fa indrindra manerana an’i Madagasikara ny Paositra Malagasy . Betsaka ny tolotra misy ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ka tsy tokony hisalasala ny rehetra hanatona ny Paositra raha mila fanazavana fanampiny momba ireto tanisaina manaraka ireto :
Paositra Rapida : ao no mandefa entana maro isan-karazany erany Madagasikara ‚ afaka miara-miasa amin’olona rehetra sy orinasa rehetra ary afaka manatitra an-trano na any amin’ny orinasa ny Paositra.
EMS : Amin’ny alalan’io kosa no andefasana entana makany ivelany ao anatin’ny 10 andro raha ela indrindra ‚ mihainga avy ao Antananarivo izy io fa efa miparitaka isam-paritra ka tsy diso anjara amin’izany ny Faritra Sofia.
 Tsinjo lavitra : afaka idiran’olona rehetra tsy anavahana ary mamaimpoana ny fanokafana azy miaraka amin’ny karine rehefa handrotsa-bola.
Tsinjo avotra : kaonty tsy azo kitihina ao anatin’ny enim-bolana izay mety tsara amin’olona manana tanjona araka ny fandaharam-potoana nomaniny ‚ na fitehirizam-bola ary misy zana-bola.
Tsinjo fahanterana : Assurance Retraite ‚ 5000Ar isam-bolana no afaka arotsaka ary raisina rehefa feno 60 taona.
 E-poketra : tolotra natao handefasam-bola amin’ny sarany ambany.
 Western Union ‚ Global Transfert …
Nampahafantatra ampahibemaso ireo tolotra voalaza ireo ny Lehiben’ny faripiadidian’ny Paositra Malagasy ato amin’ny Faritra Sofia ‚ BIANKINANA Joël Nestor Biankinana androany 16 Janoary 2023 ‚ teo anatrehan’ny mpanjifa sady niarahaba azy tratry ny taom-baovao ihany koa.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment