PAOLO RAHOLINARIVO : MIHEVITRA ANAO HO IZA MOA IANAO RY GOVERNORAN’NY BONGOLAVA
Marina fa matanjaka sy tsy azo atao ninoninona ianao Andriamatoa Governoran’ny Faritra Bongolava, fa aza ihetraketrahanao loatra ny Préfet, ny asany no ataony, mihevitra anareo ho iza sy Aiza moa ianareo io?
Efa nanao amboletra ianao hanao revue militaire taminy 29 Mars nefa tsy Ianao no tokony hanao izany fa ny Solotenam-panjakana ( PREFET).
Novingavingainao tao aminy Fahitalavitra sy Radio anakiray ny Préfet Bongolava fa tsy nanome anao hanatrika ny 26 Juin 2022. Ny lalàna no tsy mamela anao hanao izany fa tsy ny Préfet.
Izao ianao mitatitra olona hitokona sy hanala ny Préfet Bongolavana satria tsy manaraka ny baikonao hono, ianao anga no Lehibeny Préfet?
Ento eny aminy zone rouge ireo olonao ireo hahafantaranao azy.Mangataka ny PAC fa misy Maires tsy maty manota ao Bongolava ao, misy olona ambony miaro azy ireo.
Mba asio fifanajana ihany , marina fa anareo ny Fahefana Andriamatoa Governoran’ny Bongolava, anareo ny basy fa mba mieritrereta ihany sao tratrany patsa iray tsy omby vava Tompoko.
![◾](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t6b/1/16/25fe.png)
![◾](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t6b/1/16/25fe.png)
![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)