PAJ SOFIA : ZANA-KAZO HONKO 6000 VOAVOLY TAO ANTAFIAMPATSA‼️
Ankoatrany fametrahana ho ara-dalàna ny vovonan’ny tanora Sofia ( PLATEFORME DES ASSOCIATIONS DES JEUNES SOFIA ) sy nandinihana ny drafitr’asa 2023 dia nisy ny fambolen-kazo honko tao Antafiampatsa kaominina ambonivohitry Antsohihy ny sabotsy 01 April 2023 teo.
Miaro ny ranomasina tsy ho tototry ny loto ‚ miaro sy mamelona ireo biby sy vokatra maro an-dranomasina ny ala honko ‚ io no mampatavy ireo drakaka sns ka tokony arovana mafy ‚ hoy ny fanazavana nataony Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Sofia ‚ Manantsoa Clermond . Ity farany moa nanomana sakafo maivana ( mofo sy tantely ary dobera ) hoan’ny tanora tonga nanao fambolen-kazo.
Teny ifotony ‚ nanampy sady namatsy rano fisotro madio ny Talem-paritry ny rano fidiovana sy fanadiovana Sofia ‚ nanontrona ny hetsika kosa ny Talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Feno ny fandaharam-potoana nandritra ny 02 andro nanatanterahana ny zaikabe ( FORUM DES JEUNES SOFIA ) teto Antsohihy renivohitry ny faritra ‚ izay nahitana solontenam-pikambanana Tanora isaky ny Distrika 07.