a
FandraisanaSosialyPAJ SOFIA : FIKAMBANANA TANORA 70 NO MIVONDRONA AO ANATINY▪️ MIJORO ARA-DALÀNA ARY EFA MIASA‼️

PAJ SOFIA : FIKAMBANANA TANORA 70 NO MIVONDRONA AO ANATINY▪️ MIJORO ARA-DALÀNA ARY EFA MIASA‼️

PAJ SOFIA : FIKAMBANANA TANORA 70 NO MIVONDRONA AO ANATINY▪️ MIJORO ARA-DALÀNA ARY EFA MIASA‼️

Naharitra 02 andro ( 31 Martsa – 01 April 2023 ) no nanatanterahan’ny tanora ato amin’ny faritra ny zaikabe ( FORUM DES JEUNES SOFIA ) ‚ izay natao teto Antsohihy renivohitry ny faritra ‚ nanasana ireo solontem-pikambanana isaky ny Distrika 07 mandrafitra ny faritra Sofia ( Mampikony ‚ Port Bergé ‚ Mandritsara ‚ Bealanana ‚ Befandriana avaratra ‚ Analalava ‚ Antsohihy ).

Nandritran’io hetsika niarahan’ny tanora io nandaniana ny SATA mifehy ny fikambanana sy nangatahana fankatoavana tamin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana ( récépissé ) ary nandrafetana ny drafitr’asa 2023 izay miompana misimisy koa amin’ny fampivoarana ny tanora ato amin’ny faritra : fampiofanana ‚ fanentanana ‚ ary fandraisana andraikitra amin’ireo olàna ifotony izay misakana fampandrosoana hoan’ny tanora sy fiarahamonina . Notsiahiviny filohan’ny vovonan’ny tanora Sofia – Ahitantsoa André fa natao ankilabao ny tanoran’ny faritra hatrizay ary adinodino sy ambikambin-javatra ‚ manomboka eto dia ho porofoina hitam-poko ‚ hitam-pirenena amin’ny alalany asa vita sy fiainam-piarahamonina fa misy tanora ato amin’ny faritra Sofia ary mandray andraikitra.

Nilaza ny fahavononany ny Jeneraly Lylyson René de Rolland – Gouverneur Faritra Sofia izay nanokatra ny zaikabe tamin’ny fomba ofisialy fa hanampy tanora ary hanohana ny hetsika fampandrosoana izay efa himatimatesan’ny tanora ‚ nampanantena izy fa handray anjara mavitrika amin’ny fanafarana ireo teknisianina ‚ matianina amin’ny fampiofanana tanora mba ho kalitaon’ny fampiofanana tsara indrindra ‚ hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny tanora sy fiarahamonina misy azy no tanjona . Notsiahivin’Atoa Governora Faritra Sofia ‚ ny tantaran’ny zanaky ny faritra Sofia izay efa nampitolagaga olona maro tany aloha sy ny herim-po izay ananany ary indrindra ny herin-tsainy miaraka amin’ireo harena saro-bidy maro ato amin’ny faritra.

Toraka izany koa ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Bealanana – Marie Therese Randimby Volahaingo izay tsy nitasahatra namporisika ny tanora hanao ny ezaka rehetra hahatongavana amin’ny ambony indrindra fa ny tanora no tompon’ny hery ‚ tanjaka ‚ hatsarana sns . Tsy tokony hipetrapetraka ny tanora fa tokony hiasa ary handray an-tànana ny hoaviny ‚ ny fiarahamonina ‚ eny ny firenena misy azy . Ity farany moa ‚ namarana ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy sady nanolotra fanampiana 200 000Ar.

Namporisika ny tanora ho sahy ‚ tsy hatahotra amin’ny fandraisana andraikitra ny Ben’ny tanàna voafidy teto Antsohihy – NASIRY Ali ary nanome 200 000Ar fanampiana amin’ny fikarakarana ny hetsika . Tazana nitondra sy nizara traikefany hoan’ny tanora ny Talem-paritry tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy – Manantsoa Clermond sy ny Talem-paritry filaminam-bahoaka Sofia – CCP Roger Moratamby ‚ ny Lehiben’ny fampanoavana TPI Antsohihy – Jessé Ramorasata ‚ ny lehiben’ivon-ketra Antsohihy – Jean Samuel Samuel Rakotonirina . Niatrika ny fotoana ireo lehiben’ny sampandraharaha maro sy tanora liam-pandrosoana.

Marihina fa vondrona na vovonana iraisan’ny fikambanana Tanora ato amin’ny faritra Sofia na PLATEFORME DES ASSOCIATIONS DES JEUNES SOFIA ity najoro ho ara-dalàna ity ‚ ary efa misy fikambanana 70 miaraka aminy ary manodidina 1400 any ny tanora efa ao anatiny manerana ny faritra Sofia hatreto.

Niato-batana ireo tanora niatrika ny zaikabe ‚ misy kosa ireo olona malala-tànana nanampy ka nanamaivana ny fanatanterahana ny hetsika ‚ singanina manokana Rtoa Mamy Njaralahy ao Mampikony ‚ ny DREDD Sofia ary ireo tompon’andraikitra ara-panjakana izay nanome alalana tamin’ny hetsika.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment