a
FandraisanaFialambolyTALEM-PARITRY NY TONTOLO IAINANA SY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

TALEM-PARITRY NY TONTOLO IAINANA SY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

TALEM-PARITRY NY TONTOLO IAINANA SY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Tontonsa androany arivan’ny 15 Jolay 2022 teo ny lanonana famindram-pitantanana sy fahefana eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy Sofia . Amperin’asa manomboka izao i MANANTSOA CLERMOND ‚ Tanora zanaky ny faritra Sofia ‚ teraka tao Anahidrano – Distrikan’Antsohihy ary avy ao Ambararata Befandriana avaratra ny Rainy . « Ny fiarahantsika mihentana ‚ mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no antoky ny fampandrosoana lovain-jafy ‚ ndeha isika hanavao ny fihavanana amin’ny ala sy ny tontolo iainana fa mahatsara ‚ mahasoa ary mahavonjy atsika izany eo anatrehan’ny loza mitatao ankehitriny dia ny fiovaovan’ny toetrandro » ‚ hoy izy niantso fiarahamiasa amin’ny rehetra raha nandray fitenenana.

Manana DEA ( Diplôme d’ Études Approfondies ) en Biochimie et Sciences de l’environnement ; Mpikaroka tao amin’ny LME ( Laboratoire de Microbiologie de l’ Environnement ) du centre National de recherche sur l’environnement ( CNRE ) Madagascar ‚ Tsimbazaza ‚ ary efa nitàna andraikitra maro teto amin’ny firenena Malagasy izy . Mpanolotsaina Teknika ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa izy talohan’izao fahendrena azy ho Tale misahana ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy aty Sofia izao.

TONGA NANOTRONA IREO OLOBE

Nanontrona sy niarahaba ary nankahery azy amin’ny adidy makadiry izay hiantsorohany ny Governoran’ny faritra Sofia ‚ Jeneraly Lylyson sy ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali ‚ ny Sojabe avy any Anahidrano ary ireo tompon’andraikitra maro izay miara miasa aminy . Nanamafy ny fahavononany hanampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ato amin’ny faritra Sofia izay misy mamotika ny Governoran’ny faritra ‚

« Tsy handeferantsika na iza na iza na avy aiza izy na avy aiza fa rehefa tratra manao tetik’ala na mamboly amin’ny toerana nisy ny ka norobaina dia andraisantsika fepetra hentitra ary ampiharina aminy ny lalàna velona sy Dina Besaboha izay manankery ato amin’ny faritra Sofia satria mamotika Tanindrazana ireo izay manimba ala » hoy ny Jeneraly Lylyson.

MANANTSOA CLERMOND : ASA AVY HATRANY▪️IZY NO TALEM-PARITRY NY TONTOLO IAINANA SY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY SOFIA ANKEHITRINY

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-