a
FandraisanaFampianaranaONIVERSITEN’I MAHAJANGA : MPIANATRA AVY AMIN’NY FARITRA SOFIA MIISA 06▪️ NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA ENY MAROFOTO

ONIVERSITEN’I MAHAJANGA : MPIANATRA AVY AMIN’NY FARITRA SOFIA MIISA 06▪️ NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA ENY MAROFOTO

ONIVERSITEN’I MAHAJANGA : MPIANATRA AVY AMIN’NY FARITRA SOFIA MIISA 06▪️ NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA ENY MAROFOTO

 Miisa 17 ireo voarohirohy sy voatonotonona tamin’ny raharaha fahamaizan’ny trano fonenan’ny mpianatra tao amin’ny Campus Universitaire Ambondrona Mahajanga ny 19 Febroary 2023 teo.

 Niakatra fitsarana omaly 13 Martsa 2023 ny raharaha ka nahazo taratasy fiantsoana teny amin’ny fitsarana ireo 17 voarohirohy tamin’ny 08 Ora maraina ‚ Ny tolakandro tamin’ny 03 Ora vao nanomboka ny famotorana teny amin’ny fitsarana ary tsy vita raha tsy tamin’ny 08 Ora alina izany araka ny fanazavana voaray.

 Mpianatra miisa 06 avy amin’ny faritra Sofia izay voarohirohy sy voatonotonona tamin’iny raharaha iny no nahiditra am-ponja vonjimaika any Marofoto – Mahajanga ny alin’ny 13 Martsa 2023 ‚ taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Mahajanga ‚ tokony ho tamin’ny 08 Alina.

 Mpianatra avy ao Bealanana ny telo ( 03 ) tamin’ireo ary avy any Analalava kosa ny telo ( 03 ) hafa.

Tsy mbola nazahoam-baovao ny datim-pitsarana hatreto fa ny fandorana fananam-panjakana ‚ vono sy ratra nomanina mialoha ary fandratrana olona niteraka fahasembanana no vesatra hiampangana izy ireo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment