a
FandraisanaVaovaom-paritraNY TOMBONTSOAM-BAHOAKA NO AMBONY INDRINDRA

NY TOMBONTSOAM-BAHOAKA NO AMBONY INDRINDRA

NY TOMBONTSOAM-BAHOAKA NO AMBONY INDRINDRA

Saika niteraka adihevitra lava ihany ny fanamarihana sy fanontaniana napetrakin’ny lehiben’ny Distrika ao Mandritsara ‚ nandritra ny Dinika sy fanapahan-kevitra ho raisina momba ny toeram-pitrandrahana volamena ao Sahantona kaominina Andohajango Mandritsara ‚ omaly 04 jolay 2022.

Miely ao any an-toerana mantsy ny fisian’ny orinasa lehibe ‚ nomeny fitondram-panjakana alalana ‚ hanao ny fitrandrahana any an-toerana ka hanilika ireo vahoaka aman’aliny ‚ tonga mitady ravinahitra ao Sahantona . Tranga ahiana hiteraka savorovo ka izany no antony fanontaniana hoe : azonay sakanana ve izy ireo sa ahoana ? Afaka manao « opposition » ve izahay raha sanatria misy an’izany ? Hoy ny lehiben’ny Distrika ao Mandritsara . Valinteny nanafitohina azy no navalin’ireo tompon’andraikitra voalaza fa avy any amin’ny Ministeran’ny harena ankibony tany ‚ ianao tompon’andraikitra ara-panjakana ‚ mpitondra ve hitarika olona handika lalàna ? hoy izy ireo.

Olon-dehibe mahafehy ny asako aho ‚ tsy izaho mihitsy no hitarika olona handika lalàna fa fanontaniana no napetrako ‚ Administrateur civil en chef ny tenako ‚ tsy izaho efa andeha hisotro ronono tsy ho ela no hanangan-tsampona ‚ valim-panontaniana tsotra no ilaiko ‚ eny na tsia ‚ hoy ny lehiben’ny Distrika.

TOERAM-PITRANDRAHANA VOLAMENA AO SAHANTONA – MANDRITSARA : NY TOMBONTSOAM-BAHOAKA NO AMBONY INDRINDRA▪️HOY NY JENERALY LYLYSON

Nilaza moa ny Jeneraly Lylyson izay Governoran’ny faritra Sofia fa tombontsoam-bahoaka no ambony indrindra ka hisy ny lamina apetraka mba hisitrahany tompon-tany ny haminy harena misy eo aminy ary hisy ny fepetra raisina mba hisiany fandriampahalemana maharitra ‚ hisiany fitoniana sy filaminana any amin’ny toeram-pitrandrahana . Nohamafisiny fa mitohy ny fahafahana mitrandraka ao Sahantona.

Delegasionina maro avy amin’ny Ministeran’ny harena ankibony tany sy ny ANOR ary ny OMC Sofia ‚ izay nahitana ny Governoran’ny faritra sy ny lehiben’ny Prefektiora ary ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ato amin’ny faritra ‚ tazana tany an-toerana ny Jeneraly Cdt CIRGN Mahajanga.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-