NOSY LONJO ANTSIRANANA : MATY ILAY RANGAHY NANAPATAPAKA HAZO FIJOROANA TAO AMIN’NY DOANY
Nanaitra ny maro ny fandrenesam-baovao tao Nosy Lonjo ny herinandro lasa teo . Lehilahy iray nanapatapaka hazo fanaovana joro tao amin’ny Doany masina no fantatra fa namoy ny ainy . Raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia maty nisy namono ity rangahy ity ary ao anaty famotorana ny mpitandro filaminana ankehitriny.
Miely any an-toerana ny vaovao fa maty noho ny hatezeram-bahoaka tamin’ny fihetsika mifanohitra amin’ny fombafomba fanao any an-toerana izy . Nohenjehin’ny fokonolona ilay rangahy rehefa hitan’izy ireo fa nanapaka hazo fanaovana joro tao Nosy Lonjo ka nandositra tany anaty ranomasina aveo . Nanapa-kevitra ny manampahefana ifotony ( ny eo anivon’ny fokontany ) ‚ naniraka olona hampakatra sy hanala azy ao anaty ranomasina mba tsy ho faty saingy rehefa tafakatra izy mbola nodarohan’olona ihany ary namoy ny ainy ‚ araka io vaovao miparitaka io.