NOSY BE:MIRONGATRA NY FITSINDRONANA ZAVA-MAHADOMELONA
Mandany vola 40 000Ar isan’andro raha ambany indrindra ireo tanora mpifoka sy mpitsindrona zava-mahadomelona ( héroïne ) ao Nosy Be raha ny fanazavan’izy ireo nandritra ny famotorana nataony zandary any an-toerana . Toaka ‚ Katy ‚ sigara ‚ rongony ‚ héroïne ary vehivavy no fialambolin’izy ireo ary mangovotra sy tera-tsemboka ny vatana ‚ marary rehefa mila tsindrona na ny zava-mahadomelona ‚ hoy hatrany ny fanazavana.
Betsaka amin’ireo tanora izay midoroka izany anefa tsy an’asa ka anisany fototra mampirongatra ny tsy fandriampahalemana izany ‚ hoy ny fanazavana . Potika ny Tanora Malagasy raha mitohitohy izany ‚ ahiana ihany koa ny hampirondratra ny aretina ‚ raha tsy hilaza afa tsy ny VIH/SIDA satria “ seringue ” iray itambarany tanora maromaro . Ankoatrizay ‚ tsentsefina amin’ny “ seringue ” ny ràn’ireo efa nitsindrona ary tsentsefin’ireo tara fahatongavany amin’ny fotoana fanaovana azy mba hisitrahany ny zava-mahadomelona ‚ hoy hatrany ny fanazavana.
Tsy mitazam-potsiny manoloana izany ireo mpitandro filaminana sy ny mpitondra any an-toerana fa mandray fepetra mifanaraka amin’izany.
NOSY BE : MANGOROHORO ‚ MARARY ARY TSY MAHAZO AINA AHO RAHA TSY MITSINDRONA ZAVA-MAHADOMELONA ( HÉROÏNE ) ANATIN’IRAY ANDRO▪️HOY IREO TANORA MPITSINDRONA