NOMENY FITSARANA AMBONY 05 TAONA AN-TRANO MAIZINA
Nivoaka ny talata 05 Jolay 2022 teo ny didim-pitsarana momba ny raharaha fanimbana CEG Manarapenitra ao Ambodiampana Bealanana izay naha voarohirohy ireo mpampianatra roa any an-toerana . Sazy 05 taona an-trano maizina ‚ sazy mihantona no didy navoakany fitsarana ambony ( Cours d’Appel ) izay nanaovana fampiakaran-draharaha.
Araka izany dia niharany habibiana ary voahitsakitsaka tanteraka ny zo maha olona sy ny hasina maha mpampianatra ‚ mpanabe azy ireo ka tsy tokony hitazam-potsiny manoloana ireo tompon’andraikitra ka handray fepetra hentitra manoloana izany raha tena manao ny asany tokoa ‚ hoy ny fanamarihana nataon’olom-pirenena ‚ ny sasany moa nilaza fa fotoana tahaka izao no tokony ahitana ny asany BIANCO ary fampiharana maha tany Tan-dalàna an’i Madagasikara . Efa samy navotsotra ary afaka namonjy fodiana avokoa moa ireo mpampianatra ary efa any an-tànana ankehitriny . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
NOMENY FITSARANA AMBONY 05 TAONA AN-TRANO MAIZINA▪️SAZY MIHANTONA IREO MPAMPIANATRA ROA VOAROHIROHY TAMIN’NY FANIMBANA CEG MANARAPENITRA AMBODIAMPANA BEALANANA