a
FandraisanaFahasalamanaSAMBAVA : NIVOAKA NY PAPINY▪️REHEFA NOHOBOINA TAMIN’NY HAZOFIJALIANA NY LAHARANA FAHA-13

SAMBAVA : NIVOAKA NY PAPINY▪️REHEFA NOHOBOINA TAMIN’NY HAZOFIJALIANA NY LAHARANA FAHA-13

SAMBAVA : NIVOAKA NY PAPINY▪️REHEFA NOHOBOINA TAMIN’NY HAZOFIJALIANA NY LAHARANA FAHA-13

Sahala amin’ny nofy ny zava-nitranga tao amin’ny Distrikan’i Sambava sy ny manodidina azy ny farany herinandro teo. Nalainy tantsaha ‚ vahoaka tany an-toerana ny ankanjo misy sariny laharana faha-13 ary nohoboin’izy ireo tamin’ny hazofijaliana rehefa nikasa hividy lavanio ambanin’ny fetra napetraky ny fitondram-panjakana ireo mpandraharaha sasany izay zatra mamono antok’olona ary nobahanan’izy ireo ny lalana mampifandray ny kaominina maromaro.

Nidina niaraka tamin’ny vahoaka ary nisioka tokana fotsiny i Depiote Jack dia nihazakazaka nitondra papiny izay tadiaviny vahoaka ireo mpandraharaha maro ‚ nividy lavanio amin’ny vidiny ara-dalàna ( 75 000Ar ) . Taorian’izay vao samy koropaka ary namoaka antso hoan’izay liana amin’ny fanaovana « agrément » ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Midika ve izany PMU ny fiainana eto Madagasikara ? Izay mitokona sy mihetsika manoloana ny tsirariny ihany no andraisana fepetra sy mahita ny rariny fa ny sasany avelao ao ?

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-