a
FandraisanaVaovaom-paritraNINIE DONIA : TSY MIGADRA AHO FA NOGADRAINA‼️

NINIE DONIA : TSY MIGADRA AHO FA NOGADRAINA‼️

NINIE DONIA : TSY MIGADRA AHO FA NOGADRAINA‼️

Mbola any amin’ny Hôpitaly mitsabo tena sady manohy ny saziny ny mpanakanto Ninie Donia‚ mpanjaka vavin’ny Salegy izay voaheloka noho ny fananganana tambazon-dahalo sy heloka maromaro niampangana ka nahavoasazy azy.

Nitondra teny fankaherezana azy ary nanolotra solon-dranomboankazo ho azy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara Siteny Randrianasoloniaiko izay nandalo tao Nosy Be nanatanteraka MIHAVA TOUR.

“Tsy migadra aho fa nogadraina” hoy ity mpanakanto sady mpanao politika ity nanambara ny alahelony tamin’ireo Solombavambahoaka tonga nitsidika azy. Mpanakanto maro no efa nanao antso fanairana amin’ny tokony hamelana an’i Ninie Donia saingy tsy mbola nisy valiny izany hatreto.

Vahoaka maro no tonga nanontrona ny hetsika MIHAVA TOUR tao Nosy Be omaly‚ na teo aza ny sakana sy fifamaliana am-bava nisy tamin’ireo mpitarika ny hetsika sy ireo manampahefana ifotony.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment