NDAO HIRESAKA MOMBA NY VOLON-DOHA SY NY TALY ISIKA
Anisany zavatra saro-pady ary manana hasina amin’olombelona ny volo fa indrindra amin’ny Malagasy raha tsy hilaza afa tsy maha fitoerany hery sy maha ahody lolo sns azy : amin’ny fomba nentim-paharazana ‚ raha misy zaza mitomany ka tsy mety mangina amin’ny alina dia alaina ny volon’ny Reniny dorana kely mba handroahana fanahy ratsy na lolo izay heverina ho mampatahotra ilay zaza kely ‚ toy izany koa raha avy namonjy fahavoazana na avy mandevina ampiasaina ny volo dorana mba ho emboka … Maharaka tsara ny tantaran’i Samsaona ao anaty Baiboly isika fa tao amin’ny volo no nitoerany heriny . Aty amin’ny Faritra moa no tena ahitana izany fombafomba izany matetika.
Endrika sy fananana iray voajanahary ary saro-bidy no saro-pady ny volo amin’ny vatan’olombelona ‚ amin’ny maha taratry ny endrik’olona iray (fagnèva) azy . Ny volo matetika no miantoka ny hamanjan’olona iray na vavy na lahy ‚ manana tombony hatrany ny olona misy volo raha ampitaina amin’izay tsy misy raha endrika ivelany no jerena ‚ tazana eny amin’ny Fiarahamonina andavan’andro izany.