a
FandraisanaVaovaom-paritraNANONDRANA INDRAY NY MPANOLOTSAINY MINISITRA AMPERIN’ASA : VOATONOTONONA AMIN’NY FANAOVANA BAROFA SY FANIMBANA FANANAN’OLONA

NANONDRANA INDRAY NY MPANOLOTSAINY MINISITRA AMPERIN’ASA : VOATONOTONONA AMIN’NY FANAOVANA BAROFA SY FANIMBANA FANANAN’OLONA

NANONDRANA INDRAY NY MPANOLOTSAINY MINISITRA AMPERIN’ASA : VOATONOTONONA AMIN’NY FANAOVANA BAROFA SY FANIMBANA FANANAN’OLONA

Nomeny fianakaviana trano ipetrahana izy ary tsy nakana ofan-trano fa nipetra-potsiny amin’ny maha fianakaviana azy . Nampilazana mialoha izy mba tsy ho tampoka ny filàny tompony ny trano mba afahany mihomana . Akory anefa ny haganana fa trano voaroba ‚ fananana potika no nivantanany tompony rehefa notolorana fanalahidy ‚ iray volana nialany tao.

Tsy nilaza tamin’ny tompon-trano na nanatitra avy hatrany ny fanalahidy izy rehefa niala fa iray volana taoriany nialany fa nanome fanalahidy . Tsy nanaiky izany ny tompon-trano ka nametraka fitarainana teny amin’ny manampahefana . Efa voahantso teny amin’ny zandary Andoharanofotsy ‚ Antananirivo ilay rangahy mpanolotsaina ny Minisitry sy ny vadiny ary ho atolotra fampanoavana aoriany famotorana azy.

Anatin’izany rehetra izany ‚ mandeha ny fampihorohoroana sy fandrahonana ilay tompon-trano simba fananana . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny fa tany tan-dalàna i Madagasikara.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment